Aretin'ATY

                  ARETIN’ATY   
 
Inona no mitranga raha  marary ATY?
Raha tsy salama io ATY io dia misy fiantraikany amin’ny vatana iray manontolo toy ny:Tsy fahitan’ny maso tsara,fahararin’ny vanintaolaolana,fahararian’ny taovampananahana,fikorotanan’ny fadimbolana,ferifery eraky ny vatana
Inona no mahatonga ny aretina ATY?
Ny STRESS (reran-tsaina)
Menaka avy amin’ny biby
Ny alikaola indrindra indrindra,ny karazana sakafo maro mety hanavesatra ny ATY ka mahatonga azy tsy iasa ara-dalana na mamotika azy mihitsy.
Mizara maromaro ny sokajin’ny aretin’ATY
Misy karazany ny aretin’ATY :HEPATITES,CIRRHOSE,TUMEURS,ABCES.Fa eto dia ny HEPATITES,CIRRHOSE iany np resahantsika satria izay no betsaka ny olona voany.
NY HEPATITES moa dia ilay fanaitainana ateraky ny virus azo izay mizara toy izao:
-Hepatite A  io dia mamindra otran’ireny virus itatsika ireny amin’ny alalan’ny rivotra,rano,sakafo.
-Hepatite B  io indray dia azo avy amin’ny rà,ranon’aina,perte amin’ny vehivavy,firaisana tsy voaharo.
-Hepatite C io indray dia azo mivantana avy amin’ny rà,olona efa voan’ny hepatite B matetika ny voany.
-hepatite D
CIRRHOSE izy ilay efa potika ny aty na misy kiste ihany koa,gaokagoaka na misy fery ny ATY.25ans ka atramin’ny 64ans eo no voany ary matetika ny lehilahy ny betsaka dia ireo izay mpisotro taoka na zavatra misy alikaola,ireo mpifoak sigara koa.
Ny fitrangany
Voan’ny sery,reraka,maloiloy dia mando,malainkomana,lasa mavo ny hoditra sy ny maso,marary valahana,mihena ny lanja,mangidihidy daholo ny faritra ny vatana,miofakofaka ny vatana,malaina anao firaisana ara-nofo,mety mivonto ny ranjo na ny lamosina,marary ny ila-kibo havanana.
Ny aretin’ATY CIRRHOSE moa dia:verivery saina,mangery rà,binabina,mandoa Rà.
Ny sakafo tsy tokony hohanina
Vokatra azo avy amin’ny ronono
Ferana ny charcuterie
Tsy ilaina ny sakafo voaendy be menaka sy matsiro loatra.
Ny siramamy tsy ilaina hohanina betsaka
Tsy ilaina,fadiana mihitsy ny taoka na zavatra mis alikaola sy sigara.
Ny fihinana anti-inflammatoire io koa no tena mapirongatra ny aretin’ATY toy  ny paracetamol
Tsy mihinana hena mena
Fanafody natoraly
-Zavoka
-Pamplemousse:be otrikaina,mamono ny arafesina,manakana ny poizina indrindra ny homamiadana.
-Ny dite maitso:manala menaka.
-Ny choux fleur,brocoli,choux blanc mampiakatra ny famokaran’ny vatana ny glucosinolates.
-Tongolo gasy
-Beteravy manta atao jus
-Fraise,voaloboka hohanina
-Misotro rano
-Mihinana sakafo be calorie
-Tsy matory lava
-Mifady menaka,taoka,sigara.

Mazotoa mamaky dia mirary fahasalamana lalandava antsika mpamaky rehetra ny SOINS NATURELS POUR LA SANTE.
Raha misy fanotaniana manitikitika antsika mpamaky azo atao tsara ny mametraka izany.Azotsika atao ihany koa ny manome soso-kevitra amin’ny lohahevitra tiantsika ho fatatra.
Misaotra antsika rehetra

Facebook Comment