Ny Tosi-drà ambony

Ny Tosi-drà ambony
Misy karazany 2 ny lalan-drà
Ny Artère: Mitondra ny rà avy any àfo makany @vatana rehetra.
Ny Veine: Mamerina ny rà avy any @vatana rehetra makany @fo.
Ny Fiakaran’ny tosi-drà
Toy ny tuyau Elastika ny lalandrà salama:
afaka mikainkona na mifintina mihatery
Ary afaka mitatra mihamalalaka
Pression maxima: 14 mmhg
Manosika ny rà hibosesika anaty artère ny fo.
Pression minima: 7 mmhg
Tsy manosika ny fo,miverina mifintina @toetrany teo aloha ny artère.
Fomba ahoana no mahatonga ny tension ho ambony ?
Antony voalohany: manosika mafy loatra ny fo
Stress, adrénaline,Épices,alcool,Nicotine,drogues.
Antony faharoa: henjana loatra ny  lalan-drà
Nicotine, goudron, fibrose, fahanterana.
Antony fahatelo: tsentsina ny  lalan-drà
Nicotine, goudron,tavy sy jabora.
Antony fahefatra: mikainkona ny  lalan-drà
Reflexe, eritreritra , tsy ampy torimaso, harerahana.
Antony fahadimy: be loatra ny fatran’ny rà
Be sira loatra,Simba ny voa,Tsy miasa ny voa.
Fanamarinana: fadio ny jabora,taoka sy ny sigara, goudron, nicotine, STRESS, tebiteby, ahiahy, adin-tsaina.
Fitsaharana (repos)
Na mihinana  na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Exercice (asa)
Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra fa Izy no miahy anareo




Read More

Fahalalana oniny

Fahalalana oniny
Ny Sakafo


 -Sakafo mahasoa
-Sakafo mifadanja tsara(lokon’ny sakafo,sakafo manta na sakafo masaka)
-Sakafo tsy diso be loatra
-Ary tsy diso kely loatra
-Misakafo in3 isan’andro
-Tsy dia ovaovaina ny ora fisakafoanana
-Tsy misotro rano ampisakafoanana
-Tsy mihinana anelanelam-potoana
Read More

Ny tombontsoa azo avy @fihinanana Soja

Ny tombontsoa azo avy @fihinanana Soja
Ny soja dia anisan’ny legume ary ny soja maina no tena be mpampiasa.Izy ihany koa dia mampateza.Ny soja dia fanafody izay tsy itantsika maso ny fiasany moramora ao anatintsika ao.
Inona ary ny zavatra azo avy@Soja
-Proteine tsara
-Ny soja dia mahasolo ny hena
Ny fomba fihinanana Soja
 -Farine na cacao soja: io dia miaro @aretim-po,mampihena ny cholesterol ao @ rà,manalefaka ny lalandrà,sakafo be otrikaina indrindra,maivana sy mora levonina.
 -Café na ronono soja
-Sauce na yaourt soja:Manampy ny vehivavy @fitsaharan’ny fotonany.
-Germes de soja
-Toffu du soja:Miaro @homamiandana ny nono-prostate.


Read More

Fomba fampiasam-batana

Fomba fampiasam-batana
Lalàm-piainana ny fampiasana ny vatana sy ny fihetsehan’ny vatana. Fampiasan-tena ara-dalàna ankalamanjana, fahazotoana, mitondra famelombelomana, mandresy ny stress, matanjaka ny hozatra, mampirindra ny vanin-taolana, mampiverina ny hery,voaofana ny fo, midina ny tosi-drà, ara-dalana ny tahan’ny siramamy, manatanjaka ny hery fiarovana, miaro @fidiran’ny mikraoba sy cancer. Manana ezaka hanatratra ny tanjona,mahery miaritra. Mahatonga ny torimaso mora azo.
Ny karazana fampiasan-tena:
- Dia an-tongotra
- Fikarakarana zaridaina
- Lomano
- Ny fitondrana bisikileta
- Fampiasana tena hafa
Read More

Ny ilaina ny rivotra madio

Ny ilaina ny rivotra madio
Mifoka rivotra 8000 litatra isanandro ianao.
Ny asan’ny rivotra madio:
-Manampy ny asa fanadiovana ataon’ny avokavoka.
-Mihazona ny vatana ho salama.
-Manetsika ny fikorian’ny rà
-Mpampahira-tsaina
-Mandajalanja tsara
-Manana fifantohana
-Manampy @fieritreretana lalina
-Manetsika @fahazotoan-komana sy fandevonan-kanina
-Mpampahita tory tsara sy mamelombelona
Ny tokony atao:
Tandremana ny rivotra misy poizina sy maloto.Dia aoka ho zatra mitraka tsara raha mandeha na mipetraka.Sokafy vao maraina ny varavarakely.Manao fosefoana lalina in10 raha vao mifoha.

-
Read More

Fiadiana @zava-mahadomelina

Fiadiana @zava-mahadomelina
Ny zava-mahadomelina ekena ny lalana nefa manimba
- Ny toaka
- Ny sigara
- Kafeine: kafe, dite, sokolà, analgésiques, soda.
Ahoana ny fiasan’ny kafeine ao anaty ny vatantsika?
Manome hery eo no eo ao anaty ny antidoha sy ny retsika.
Manova ny toe-po sy ny fitondran-tena.
Ratsy ny torimaso.
Kizitina,mora tohina,vizana.
Aretim-bavony: Vay.
Mora voan’ny homamiandana.
Vavony,Voa, Avokavoka,Tsinaibe,Lalan-kanina, Tatavy avo 2 heny ho an’ny vehivavy.
Mampiakatra ny tosi-drà.300% Aretim-po.
Mampitombo ny tahan’ny fahafahan-jaza.
Mampihena ny lajan’ny zaza ao am-bohaka sy mampihena ny fitombon’ny zaza am-bohaka.
Mamorona olana @fitombon’ny taolana.
Ny kafeine dia mety mapitompombo ny fitempon’ny fo.
Mahatonga ny fitempon’ny fo miovaova.
Mampiakatra ny tahan’ny tavy.
Manafaingana ny fivainganan’ny rà.
Ny fahampian’ny otrikaina sy sira mineraly :Kalsioma,vy,vitamina B.Ny kalsioma ve
Ny TOAKA
Ny Toaka dia fahavalom-pokon’olona voalohany indrindra,ary zava-mahadomelina izay mampidin-doza indrindra.Ny Toaka dia mamono olona in5 avo heny,miteraka olana,mandany vola,manapotika fianakaviana maro ny zava-mahadomelina.
Antony antsasakin’ny lozam-piarakodia afatesana olona maro.Ny loza any am-piasana sy any an-trano. 0,02% fikorotanan’ny saina,mampitombo ny fandikan-dalàna.
Ny asan’ny Toaka :
-Aretim-bavony : vay
-Mamotika ny selan’ny Aty.Tsy mahomby intsony ny asan’ny Aty.
Ny Toaka sy ny atin-doha : Mora tezitra,herisetra ao an-tokantrano,firaisana ara-nofo mahamoafady.Manapotika ny ati-doha ny toaka.Manapotika ny tsoka (moelle osseuse),mampihena ny hery fiarovana.Mampitombo aretina.Tsy fahampian’ny otrikaina sy ny sira mineraly.
Mety hahavoa ny homamiandana na dia vera 3 isan-kerinandro aza.Fiakaran’ny tosi-drà.Fahatapahan’ny lalan-dra na AVC.
Ny Toaka sy ny vohaka :Fahatarana eo amin’ny fitomboan’ny saina.
Ankehitriny,manana olana @Toaka ve ianao? Voangian’ny kafeine ve ianao?
TSIA
Torohevitra ho anao:
- Mandro @rano Mafana.
- Misakafo maraina tsara
- Tsy mandray sigara na paraky
- Misotro rano betsaka
- Atao akaiky ny dite ravimboafotsy
- Manaova fanazaran-tena
- Matoky an’Andriamanitra

« Koa raha ny zanaka ny hahafaka anareo,dia ho afaka tokoa ianareo » Jao 8 :36  


Read More

Ny tombontsoa azo avy @ Citron

Ny tombontsoa azo avy @ Citron
Ny Citron dia:
- Be vitamine C zay manamafy ny taolana,ohatra amin'izany ny Nify.
- Ahitana vitamine P,ka manala havizanana.
- Manampy fihazonan'ny vatana ny kalsioma.
- Miaro ny tsiranoka ao @vavony,manampy ny asan'ny aty sy ny sarakaty.
- Mampihen ny tahan'ny cholestérol sy ny diabete.
- Manafotsy ny Nify ary manala "tarte".
- Kobanina @rano misy citron in2 Isan-kerinandro ny vava.
- Mamelombelona,manadio,manalefaka ny hoditra.
- Manala ny marokoroko @hoditra (kiho,lohalika,voditongotra).
 Ny hodiny
Misy lasantsy ny hodiny citron,atao ody sery sy tazo.Tsakoina miaraka @hodiny avy hatrany mba tsy ho very ilay lasantsy.
Ny sinusite
Ranona citron ampiana sira in1 mitsaingoka dia ampiana rano matimaty kely.Dia iny ny atete amin'ny vavakorona in2 na in3 isan'andro.
Ny aretin'andoha
Tetehana boribory ny citron dia apetaka eo @fihirifana.Mapisento ny aretin'andoha aingana izany.
Fanamarihana:Rehefa mampiasa azy iny mihitsy vo didiana ilay citron,fa mora lasan'ny rivotra sy hazavana ny hery ao aminy.
1 JAONA 3:2 "Ry Malala mangataka aho mba hambinina sy ho salama @zavatra rehetra anie hianao,tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany."

Read More